Hankany amin'ny vontoatiny

Equisetaceae

Avy amin'i Wikipedia
Equisetum arvense

Ny Equisetaceae dia fianakavian-javamaniry ao amin' ny vondron' ny ampanga ary hany fianakaviana sisa tavela ao amin' ny filaharana Equisetales; ahitana vondron-karazana iray sisa tavela, dia ny Equisetum, izay ahitana karazany eo amin' ny roapolo eo ho eo.

Fivoarana sy fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Equisetaceae no hany fianakaviana mbola misy ankehitriny ao anatin' ny filaharana Equisetales; vondrona ahitana karazana zavamaniry maro efa lasa fôsily, izay nanana endrika hazo vaventy sady nanana tahony misy tsipitsipika lava mitovy amin' ny an' ny Equisetum ankehitriny. Ny Pseudobornia no havan' ny Equisetum tranainy indrindra fantatra; niaina tamin' ny faramparan' ny vanim-potoana Devôniana izy io, tokony ho 375 tapitrisa taona lasa izay, ary sokajina ho ao anatin' ny filaharany manokana (Pseudoborniales).

Ny karazana velona rehetra ao amin' io fianakaviana io dia tafiditra ao amin' ny antoko Equisetum. Misy anefa karazana fôsily sasany izay tsy azo sokajiana ho anisan' io antoko io. Ny Equisetites dia taksôna mampiray ny karazana lehibe rehetra tamin' ny vanim-potoana Mezôzôika; saika azo antoka fa parafiletika izy io ary mety mendrika ny ho tafiditra ao amin' ny Equisetum. Nefa raha toa ka mety ho razamben' ny karazana Equisetum velona ankehitriny ny sasany amin' ny karazana napetraka ao, dia nisy trangana fitomboana faharoa tao amin' ny karazana Equisetites hafa, ary ireo dia mety maneho ny razambe miavaka manokana an' ny karazana Equisetum sy efa lany tamingana ankehitriny. Equicalastrobus no anarana omena ny fôsily, izay mety ho an' ny ankamaroany na izy rehetra amin' ny zavamaniry (tsy miteraka) izay nosokajina ao amin' ny Equisetites.

Ny fôsily tranainy indrindra azo lazaina amim-pahatokisana fa an' ny fianakaviana Equisetaceae tokoa dia tany amin' ny vanim-potoana Triasika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]