Iràna
| جمهوری اسلامی ايران ((fa)) | |||||
| Jomhuriye Eslāmiye Irān fa | |||||
| Repoblika Islamikan'i Iran ((mg)) | |||||
| |||||
| Teny filamatra : Esteghlāl, Āzādi, Jomhuri-e Eslāmi («Fahaleovan-tena, Fahafahana, Repoblika Islamika») | |||||
| Teny ofisialy | persana | ||||
| Renivohitra | Teheran 35°40′29″N 51°25′20″E / 35.67472°N 51.42222°E | ||||
| Tanàna lehibe indrindra | Teheran | ||||
| Fitondrana sy governemanta - Rahbar - Filoha |
Repoblika Islamika Alireza Arafi Mahmoud Ahmadinejad | ||||
| Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 16 1 648 195 km² 0,7 % | ||||
| Isam-ponina - Tontaliny (2011) - hakitroka |
faha 17 77 891 220 mpo. 40 mpo./km²
| ||||
| Anaran'ny mponina | Iranianina | ||||
| IDH (2007) | (mitombo) 0,782 (antonony) faha-88 | ||||
| Sandam-bola | Rial iranianina (IRR) | ||||
| Faritr'ora | UTC +3:30 | ||||
| Hiram-pirenena | Ey Iran (de facto), Soroud-e Melli-e Jomhouri-e Eslami-e Iran (ofisialy), | ||||
| Valan-tsehatra internet | |||||
| Antso an-tariby |
+98 | ||||
I Iràna na Repoblika Islamikan' i Iràna dia firenena ao Azia Andrefana. Ny renivohiny dia i Teheran. Atao hoe ایران / Irān na جمهوری اسلامی ایران / Jomhuri-ye Eslāmi-ye Irān izy amin' ny fiteny persana. Ny anarana nohagasina hoe Iràna dia avy amin' ny fiteny persana izay midika hoe "Tanin' ny Arianina", ary efa nampiasain' ny Persiana hatry ny Andro Taloha, tamin' ny andron' ny Sasanida. Persia no fiantsoan' ny Tandrefana an' i Iràna nanomboka tamin' ny Andro Taloha hatramin' ny taona 1935. I Reza Shah no nanova izany ho Irān tamin' io taona io tamin' ny alalan' ny fangatahana amin' ny firenena rehetra izay mifandray aminy hiantso an' ilay firenena hoe "Irān".

Firenena faha-18 be velarana indrindra (1 648 000 km2) i Iràna; 78 tapitrisa ny isan' ny mponina ao aminy. I Armenia sy i Azerbaijàna ary i Torkmenistàna no firenena manodidina azy ao avaratra; ny Hoala Persika no ao atsimo; i Iràka sy i Torkia no firenena manodidina azy ao andrefana; i Pakistàna sy i Afganistàna no ao atsinanany. Ny vola ampiasaina ao Iràna dia ny Rial. Ny kalandrie persana no kalandrie ôfisialy ary ny fiteny persana no fiteny ôfisialy.
Ahitana lembalemba avo, izay manana salan-kaambo 1 300 m, ny ampahany be amin' ny tanin' i Iràna. Ahitana tany efitra roa lehibe ny any, dia i Dasht-e Kavir ao avaratra sy i Dasht-e Lut ao atsimo-atsinanana. Hodidinin’ ny tangoron-tendrombohitra maro koa i Iràna: ao avaratra manamorona ny Ranomasina Kaspiana no misy an' ny tangoron-tendrombohitra Alborz; ao atsimo-andrefana i Zagros. Ny toerana iva indrindra any Iràna dia ny Ranomasina Kaspiana izay 28 m ambanin' ny haambon' ny ranomasina. Toetanin-tanibe maina ny toetanin' i Iràna, izay ahitana fiovaovana lehibe eo amin' ny mari-pana.
Haingam-pitombo sady betsaka tanora (ny 44 % dia latsaky ny 15 taona) ary monina an-tanan-dehibe (ny 65 %, na mihoatra, dia monina an-tanàn-dehibe) ankamaroan' ny mponina ao Iràna. Ny Persiana sy vahoaka vitsy anisa maro (anisan' izany ny Azery, ny Balotsy, ny Torkmena, ny Kiorda ary ny Arabo) no madrafitra ny mponina any Iràna. Ny fivavahana silamo no fivavahan' ny 99 % amin' ny mponina any Iràna.
I Iràna no mpanondrana solitany fahefatra maneran-tany. Na dia ny 10 % amin' ny tany ihany aza no voavoly dia manan-danja eo amin' ny toekaren' i Iràna ny fambolena. I Iràna, ohatra, no mpamokatra antrendry voalohany indrindra maneran-tany. Izy koa no miantoka ny 20 %n' ny famokarana kaviara maneran-tany.
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Vohon-tany
[hanova | hanova ny fango]

Ny ampahany be amin' ny tanim-pirenen' i Iràna, izay mirefy 1 648 000 km², dia lembalemba avo hita ao amin' ny faritra afovoany izay manana salan-kaambo 1 300 m, voafaritry ny tandavan-tendrombohitra avo. Eo avaratra, manamorona ny Ranomasina Kaspiana, no ahitana ny tangoron-endrombohitra Alborz. Ny tendrombohitra Damavand (mirefy 5 610 m) no avo indrindra amin' izy ireo. Mitohy any avaratra-andrefana izy ireo amin' ny alalan' ny tendrombohitra ao Azerbaijàna, sy any avaratra-atsinanan' ny sisintany manasaraka azy amin' i Torkmenistàna, amin' ny alalan' ny tendrombohitra any Khorasan.
Sarotra idirana noho ny haavony ny tangoron-tendrombohitra Zagros izay mipaka hatrany atsimo-andrefan' ilay firenena ary miafara any amin' ny tendro Zard-Kuh, izay manana haambo 4 221 m. Miitatra mianatsimo ny tendrombohitra ao Balotsistàna. Any ampitan' izany, eo amin' ny sisin-tany iraisany amin' i Iràka, dia ahitana ny faritra Khuzestan, izay manana harena an-kibon' ny tany betsaka. Ny toerana ambany indrindra ao Iràna dia ny Ranomasina Kaspiana, izay 28 m ambanin' ny haambon' ny ranomasina.

Manakana ny rivotra manjaka sy ny tokony ho fiantraikan' ny ranomasina ao anatin' ny tanin' i Iràna ireo tandavan-tendrombohitra roa ireo. Ao ambadiky ny tandavan-tendrombohitra maro ny Lembalemba Iraniana izay anjakan' ny tany efitra, miaraka amin' ny tany masira midadasika, izay farihy maina taloha (kavirs). Misy roa ny tany efitra karankaina lehibe: ao avaratra i Dasht-e Kavir na "Tany efitra Masira Lehibe", feno lempona voatondraka korian-drano mitsitaitaika amin' ny ririnina sy amin' ny lohataona; ao atsimo-atsinanana, i Dasht-e Lut, tany efitra be fasika sy be vatolampy tsy misy zavamaniry.
Ny lemaka manodidina (Khuzestan, lemaka amoron-tsiraka) kosa dia lonaka kokoa, indrindra fa ny lemaka amoron-tsiraka somary tery manamorona ny Ranomasina Kaspiana, rakotra ala.
Nofon-tany
[hanova | hanova ny fango]Miovaova arakaraka ny faritra ny taharon' ny nofon-tany. Manakaiky ny antsasaky ny velaran' ilay firenena, any amin' ny tehezan-tendrombohitra sy ny tendrombohitra, no be vato sy tsy misy tsiron-tany ary manify ny nofon-tany. Mamorona vatosokay misoratsoratra any amin' ny lohasaha mirefy 300 000 km2 eo ho eo ny antsanga. Misy nofon-tany anirian' ala mirefy 35 000 km2 ny moron' ny Ranomasina Kaspiana. Ny tany miloko manja amin' ny lembalemba manana halava 470 000 km izay saika efitra dia ahafahan' ny ahitra maniry.
Misy vatokaranana sy mineraly hafa ny nofon-tany efitra masira sy alkalina. Manana harena voajanahary ny tanin' i Iràna, indrindra ny tahirin' etona voajanahary (maha laharana voaloany azy maneran-tany) sy ny tahirin-tsolitany (maha laharana fahatelo raha tsy faharoa azy). Manana loharanon-karena arintany, krôma, vy, firaka, manganezy, fanitso ary solifara koa i Iràna.
Rano
[hanova | hanova ny fango]
Renirano sy toeran-drano maro no maina mandritra ny fahavaratra. Mahatonga ny rano tsy hivarina an-dranomasina ao anatin' ilay firenena ny fikorianana tapatapaka. Ny ony Karun, izay miandoha avy ao Zagros sy mikoriana mankany Shatt al Arab, no hany korian-drano azo andehanana sambo ao amin' io firenena io. Ny farihy Urmia any avaratra-andrefana no farihy lehibe indrindra any Iràna.
Ahitana renirano sy ony vitsivitsy ny tamba-jotran-drano. I Karun (725 km), izay ony lava indrindra any Iràna, dia sakeli-dranon' i Shatt-el-Arab, ony ao amin' ny deboky ny Hoala Persika. Mivarina any amin' ny Ranomasina Kaspiana i Sefid Rud izay mirefy 670 km. Misy renirano maharitra mandavan-taona hafa mivarina mankany amin' ny Hoala Persika, ary renirano maromaro mipoitra any amin' ny tapany avaratra-andrefana amin' ny tangoron-tendrombohitra Zagros na ao amin' ny tandavan-tendrombohitra Alborz no anisan' ny mamatsy rano ny Ranomasina Kaspiana. Any amin' ny Lembalemba Iraniana, renirano maromaro misy rano tsy mandavan-taona no mikoriana mankany amin' ireo farihin-tsira, izay matetika maina rehefa fahavaratra. Ny farihy Urmia any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Azerbaijàna Iraniana no farihy lehibe indrindra any Iràna, izay manana velarana mirefy 6 500 km2 eo ho eo. Be loatra ny sira ao aminy ka tsy zakan' ny trondro na ny zavamananaina hafa miaina anaty rano. Farihy masira maromaro no hita ao Sistan-Baluchistan manamorona ny sisintany amin' i Afganistàna.
Toetany
[hanova | hanova ny fango]Toetanin-tanibe maina ny toetanin' i Iràna. Mampiavaka azy ny fahavaratra mafana (29,4 °C ny salan-kafana any Teheran amin' ny volana Jolay), mampiavaka azy koa ny ririnina mangatsiaka (2,2 °C ny salany any Teheran amin' ny volana Janoary), mitombo izany hatsiaka izany eny amin' ny tany tena avo, ary lehibe ny elanelan-kafana.
Ny tandavan-tendrombohitra Alborz izay sakana voajanahary manodidina any avaratra, sy ny tangoron-tendrombohtra Zagros any andrefana sy atsimo, no mamaritra ny hain' ny toetany. Mahalana no mihoatra ny 250 mm ny salam-pitambaran' ny rotsak' orana isan-taona (230 mm any Teheran). Lehibe ny fahasamihafana eo amin' ny tehezan-tendrombohitra iharan' ny rivotra mifofofofo izay be rano kokoa (hatramin' ny 1 500 mm eo amin' ny sisin' ny Ranomasina Kaspiana, hatramin' ny 800 mm eo amin' i Zagros Andrefana) sy ny Lembalemba Iraniana izay mandray rotsak' orana eo anelanelan' ny 100 mm sy 300 mm ny isan-taona (120 mm ao Ispahan). Mahery vaika ny hain-tany any afovoan' ny tany efitra, izay saika tsy misy rotsak' orana.
Ny toetran' ny vohontany sy ny fahasamihafan' ny toetany isam-paritra dia mampifanohitra ny faritra avaratra sy andrefana any Iràna - izay mando ka ahafahana mamokatra voamadinika mitady ranon' orana - amin' ny faritra atsinanana sy atsimo - izay maina na saika maina.
Zavamaniry
[hanova | hanova ny fango]
Mandrakotra ny 6,8 % amin' ny tanim-pirenen' i Iràna ny ala. Ny tangorom-tendrombohitra Zagros dia rakotra ala somary mando ahitana karazan-kazo samihafa. Mipaka hatrany amin' ny tehezan' ny tendrombohitra Alborz sy any amin' ny lemaka a-morontsiraka amin' ny Ranomasina Kaspiana ny ala. Mihamahalana kokoa ny zavamaniry any amin' ny Lembalemba Iraniana: miha-mahazaka haintany rehefa mankany atsinanana: avy amin' ny fatrana misy ala amin' ny foto-bohitra mankany amin' ny fatrana malalaka ary avy eo mankany amin' ny tany efitra tsy misy zavamaniry ao afovoany sy any atsinanana.
Biby
[hanova | hanova ny fango]
Misy biby isan-karazany i Iràna: amboadia lopa, hiena, sakaly, leôparda, serfa, sokina, karazan' osidia lava tandroka, bera (na orsa) ary tigra. Manamorona ny Hoala Persika no misy ny voron-drano pelikana sy sama. Ahitana karazan-trondro maro ny Ranomasina Kaspiana.
Ny faritra saika efitra dia fonenan' ny biby iray fianakaviana amin' ny saka sy ny gazela toy ny linksan' i Eorazia, ny sakan' i Pallas, ny gazela indiana, ny gazela misy treho ary ny ampondradia an-tany efitra. Atahorana ho lany tamingana ny sasany, toy ny gepara iraniana, izay tsy misy tavela afa-tsy 50 ka hatramin' ny 60 isa. Tsy fahita firy afa-tsy any amin' ny faritra iraniana ny biby hafa toy ny tetraôgalan' i Persia na ny dieran' i Persia, izay tsy fahita firy ankehitriny; misy ny karazana trondro amin' ny fianakavian' ny Cichlidae (Iranocichla hormuzensis, tsy misy afa-tsy any Hormozgan ary tsy manana karazana afa-tsy tokana). Be dia be koa ny karazam-borona any Iràna: ny fanindry masiaka, ny karazana hitsikitsika, ny voromahery volamena, voromahery be volombava, sns. Misy lambo, bera na orsa, serfa ary karazan' osidia lava tandroka ny any amin' ny alan-tendrombohitra.
Fizaràm-pari-pitondrana sy tanàna
[hanova | hanova ny fango]Faritany sy distrika
[hanova | hanova ny fango]
Mizara ho faritany (persana: Ostān) 31 i Iràna. Ao amin' ny tanàna iray, izay matetika no tanàna lehibe indrindra ao amin' ny faritany, no itantanana azy ireo. Ny governoran' ny faritany (persana: Ostāndār) dia tendren' ny minisitry ny Atitany. Mizara ho prefektiora (persana: Shahrestān) ny faritany tsirairay, mizara ho distrika (persana: Bakhsh), ary mamondrona tanàna (persana: Shahr) iray na maromaro ny distrika tsrairay.
Misy ny distrika ambanivohitra (persana: dehestān), izay amin' ny ankapobeny ahitana vohitra maromaro ho an' ny tsirairay amin' izy ireo. Tamin' ny 2005 i Iràna dia nanana prefektiora miisa 324, distrika miisa 865, tanàna miisa 982 ary distrika ambanivohitra miisa 2 378. Ireto ireo faritany ireo:
Tanàna
[hanova | hanova ny fango]
Ny tahan' ny tanàn-dehibe, izay mifanadrify amin' ny 68 %n' ny mponina, dia nitombo be tamin' ny taompolo 1970 sy 1980. Miteraka olana ara-toekarena sy ara-tsôsialy lehibe ny fitomboan' ny mponina an-tanàn-dehibe izay mitranga amin' ny fomba tsy ara-dalàna, araka ny asehon' ny rotaka maro nitranga tany amin' ny manodidina an' i Teheran, tamin' ny volana Avrily 1995.
Ny tanàna lehibe indrindra ao Iràna dia i Teheran renivohitra, izay miorina any amin' ny tapany avaratr' ilay firenena. Foibe ho an' ny indostria sy ho an' ny seha-pihariana fahatelo izy miaraka amin' ny tangoron-tanàna manodidina azy (misy mponina 7 190 000). Manaraka azy avy eo i Meshhed na Meshad (misy mponina 2 926 000), izay foibe momba ny voamaina sy fihaonan-dalana ho an' ny raharaham-barotra any avaratra-atsinana amin' ilay firenena; i Ispahan (misy mponina 1 001 000), any andrefana, renivohitry ny Empira Safavida taloha, malaza amin' ny famirapiratan' ny maritranony, foibe indostrialy sy ara-barotra ankehitriny; i Tabriz (misy mponina 1 700 000), any avaratra-andrefana, foibe famokarana indostrialy sy ara-barotra; ary i