Hankany amin'ny vontoatiny

Mandarinina

Avy amin'i Wikipedia
Citrus reticulata

Ny mandarinina dia voasary kely boribory izay dia avy amin' ny hazo mandarinina (Citrus reticulata), ao amin' ny fianakaviana Rutaceae. Noheverina ho karazana voasary laoranjy miavaka izy.

Kely sy somary fisaka ny mandarinina, tsy toy ny laoranjy (izay safiotra Citrus × sinensis). Ny tsiro dia mamy kokoa noho ny laoranjy mahazatra. Mafy na somary malemy ny mandarinina masaka, ary mavesatra raha mitaha amin' ny habeny. Manify sy mora potika ny hodiny izay misy soson-kodiny fotsy kely, ka matetika manamora ny famoasana sy fizaràna azy ho hasina. Somary manana ireo toetra ireo ihany koa ny safiotra azo avy aminy. Marefo sy mora simban' ny hatsiaka ny voasary mandarinina. Azo ambolena any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly izy io.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]