Hankany amin'ny vontoatiny

Mpino

Avy amin'i Wikipedia
Mpino silamo nivavaka tany Kahira (Ejipta)

Ny mpino, araka ny sôsiôlôjian'ny fivavahana, dia olona mifikitra amin'ny fivavahana sady manatanteraka ny fampianarany ka vokatr'izany dia manam-pinoana na mitady izany.

Ny mpino sy ny finoana

[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe mpino dia manondro olona iray izay mino sy mankatò an'Andriamanitra, na ara-pivavahana amin'ny endriny samihafa. Tsy voatery ho amin'ny fivavahana iray manokana ihany, fa amin'ny ankapobeny dia olona izay manana finoana lalina ny hery ambony sy ara-panahy.

Ho an'ny Kristiana, ny mpino[1] dia olona manaiky an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy ary manaraka ny tenin’Andriamanitra araka ny Soratra Masina. Ao amin'ny finoana silamo[2], ny mpino, izay antsoina amin'ny teny arabo hoe مُؤْمِن / mu'min (lehilahy), مُؤْمِنَة / muʾmina (vehivavy), المؤمنون / al-muʼminūn (izy rehetra), dia ilay manaraka ny didin'Andriamanitra (Allah) sy manatanteraka ny fombafomba ara-pivavahana.

Na dia samy hafa aza ny fomba fivavahana sy ny fomba fanehoana izany finoana izany, ny zavatra iraisan’ny mpino rehetra dia ny fahatokiana, ny fanantenana, ary ny fitiavana, zavatra masina izay manosika azy hiezaka hanana fiainana madio sy feno fahendrena.

Ny finoana dia tsy hita maso, nefa miseho amin'ny fihetsika sy ny fomba fiainana. Ny mpino dia olona miezaka mandrakariva mitandrina ny fahamarinana, manao soa amin’ny hafa, ary mitady fiadanana sy fifankatiavana amin’ny manodidina azy.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. ↑ https://mg.globalvoices.org/2016/11/16/91997/
  2. ↑ https://mg.globalvoices.org/2017/12/24/112496/