Hankany amin'ny vontoatiny

Samaritana

Avy amin'i Wikipedia
Samaritana mankalaza ny fetin' ny Tabernakely (na Sokota) eo amin' ny tendrombohitra Gerizima.

Ny Samaritana, izay atao hoe Israelita samaritana koa dia vahoaka monina ao Israely sy ao Sisjordania, ka ao Samaria, tanàna ao amin' ny tapany avaratr' i Palestina, no tany nonenan' ny razany izay nanjaka tao mandraka amin' ny taonjato faha-5. Tsy milaza ny tenany ho Jiosy izy ireo nefa mihevi-tena ho taranaky ny Israelita fahiny nonina tao amin' ny Fanjakan' i Israely avaratra tao Samaria. Misy ny Jiosy mihevitra azy ireo ho taranak' olona vahiny tsy Israelita. Na tamin' ny vanim-potoana mifanandrify amin' ny fitantarana ao amin' ny Testamenta Vaovao dia navakavahan' ny Jiosy ny Samaritana. Manao ny Samaritana ho Jiosy anefa ny Fanjakan' i Israely amin' izao fotoana izao anefa.

Manana fivavahana mifanakaiky amin' ny fivavahana jiosy azy manokana, atao hoe samaritanisma, ny Samaritana, nefa ny boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly ihany (atao hoe Torah), fa tsy ny Baiboly hebreo manontolo, no ekeny ho Soratra Masina. Ny tendrombohitra Gerizima no tendrombohitra masina fa tsy i Ziôna na Siôna. Manana ny abidiny manokana koa izy ireo dia ny abidy samaritana izay tsy mitovy amin' ny abidy hebreo. Amin' izao fotoana izao dia misy ny Samaritana israeliana sy ny Samaritana jôrdaniana ary ny Samaritana palestiniana. Vitsy izy ireo satria tamin' ny taona 2007 dia 796 no isany.

Ny Samaritana dia mihevitra fa taranaky ny foko folo lazaina fa very, indrindra fa ny foko roan' i Jôsefa, dia ny fokon' i Manase sy ny fokon' i Efraima, ary koa ny fokon' i Levy.

Ny olana momba ny fiavian' ny Samaritana

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Baiboly

[hanova | hanova ny fango]
Ny fanjakana tany Ampiposahana manodidina ny taona 800 tal JK.

Araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka ao amin' ny Baiboly (2Mpanj. 17.23 --17.41) dia natao sesitany any amin' ny Fanjakana Asiriana ny mponin' i Samaria ho fanasazian' Andriamanitra ny fahotan' izy ireo. Avy eo dia tsy fantatra intsony ny nanjo azy ireo. Milaza ny Baiboly fa nisy mponina vahiny mampidirina tao Samaria mba hasolo ny mponina izay natao sesitany. Ireo vahiny ireo hono no namorona ny fivavahana manafangaro fomba israelita amin' ny fomban' ny mpanompo sampy, ka niteraka ny Samaritana. Tsy ahitana fomban' ny mpanompo sampy anefa ny fivavahana samaritana araka ny ahafantarana azy amin' izao fotoana izao.

Misy hoatry ny mifanohitra ny fitantaran' ny Baiboly ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka: lazaina fa vahiny avy any ivelany ireo mponina vao nampidirina ao amin' ny faritr' i Samaria ireo, nefa voalaza koa fa nanao fanekem-pihavanana tamin' izy ireo i Iahveh, toy ny hoe taranaky ny Israelita taloha ihany izy ireo. Etsy andaniny dia nisy ireo izay lazaina fa natahotra an' Andriamanitra, ary ankilany dia lazaina koa fa nanompo ny andriamaniny izy ireo.

Tsy tena miresaka mazava ny amin' ny fanjavonan' ny fokon' i Israely folo anefa ny Baiboly. Ohatra, ny Bokin' i Jeremia (Jer. 41.5) dia mitatitra fa 150 taona taorian' ny faharavan' ny Fanjakan' i Samaria, izany hoe raha vantany vao rava i Jerosalema tamin' ny taona 586 tal. J.K., dia tonga nitondra fanatitra ho an' ny Tempolin' i Jerosalema ny mponin' i Israely Avaratra:

"lehilahy miisa valopolo tonga avy any Sikema (na Sekema), avy any Silo ary avy any Samaria, niharatra volom-bava, nandrovitra akanjo, sady nandidididy ny hodiny (ho mariky ny fisaonana). Nitondra voan-javatra sy emboka manitra hatao fanatitra ho an' ny Tempolin' i Iahveh".

Fiheveran' ny Jiosy sy ny Kristiana sasany

[hanova | hanova ny fango]
Ny faritany tao amin' ny fanjakan’ i Herôda Lehibe, teo ambany fiadidian’ ny Rômanina, manodidina ny taona 25 tal JK.

Na dia manalasala aza ny fitantaran' ny Baiboly dia mihevitra ny Jiosy ôrtôdôksa, toraka izany koa ny Kristiana sasany, fa tsy afaka hihambo ho taranaky ny foko folo tao Israely ny Samaritana. Tsy ireo Samaritana ireo no ho fitohizam-pisian' ireo foko izay nanjavona amin' ny fomba tsy fantatra ireo; taranak' olona tsy Israelita tao amin' ny voanjo asiriana tamin' ny Andro Taloha izy ireo.

Fiheveran' ny manampahaizana

[hanova | hanova ny fango]
I Jodea rômanina notarihin’ i Traiano (117 taor JK) sy ny fanakambanana an’ i Samaria tany atsimon’ ny faritanin’ i Siria.

Tsy ahitana soritra fomban' ny mpanompo sampy ny fivavahan' ny Samaritana, izay mifototra amin' ny Torah. Tamin' ny taonjato faha-6 dia nitantara ny Bokin' i Jeremia fa nanao fanatitra tao amin' ny Tempoly izy ireo.

Milaza ny soraratry ny raby tamin' ny fotoana nanombohan' ny fisian' ny fivavahana kristiana fa ny fanompoan' ny Samaritana an' Andriamanitra tokana dia efa nisy hatramin' ny andro taloha ela. Manaiky ny henam-biby novonoin' izy ireo ho kasher (כשר) ny fanangonam-pitsipika Houllin, izany hoe azon' ny Jiosy hanina, raha nisy Jiosy nanatrika ny famonoana izany[1], ary manaiky koa ny mofo nandrahoin' izy ireo ny boky atao hoe Orlah ao amin' ny Talmodan' i Jerosalema[2] nefa misy fapetra izany. Misy soratra hafa ao amin' ny Talmodan' i Jerosalema nosoratana tokony ho tamin' ny taonjato voalohany izay milaza fa ara-dalàna ny sakafon' ny Samaritana[3]. Manamafy koa ny fanekena amin' ny ampahany azy ireo ny soratra ny Massecheth Kuthim:

"oviana no azo ekena ho anisan' ny vahoaka jiosy izy ireo? Rehefa miala amin' ny tendrombohitra Garizima izy ireo sady manaiky an' i Jerosalema sy ny fitsangan' ny tena amin' ny maty"[4].

Io soratra io ihany dia miaiky fa itovian' izy ireo amin' ny Israelita ny ankabeazan' ny fanaon' ny Samaritana.

Noho ireo antony ireo dia be mpanaraka ny petra-kevitra izay manohana fa nanohy nonina tao ihany ny 80 % amin' ny mponina tao amin' ny Fanjakan' i Samaria fa tsy natao sesitany, ka ireo no nanjary Samaritana (amin' ny dikan' io teny io ara-pivavahana) araka ny ambaran' ny Bokin' ny Mpanjaka[5]. Mety nifangaro amin' ny vahoaka manodidina ireo izay natao sesitany nefa vitsy rehefa ela ny ela.

Ny fivavahan' ny Samaritana

[hanova | hanova ny fango]
Samaritana eo amin' ny tendrombohitra Gerizima.

Mifanakaiky amin' ny fivavahana jiosy ny fivavahan' ny Samaritana, nefa ny boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly ihany no ekeny ho Soratra Masina.

Ny tendrombohitra Gerizima

[hanova | hanova ny fango]

Ny tendrombohitra Gerizima no tendrombohitra masina fa tsy i Ziôna na Siôna.

Tany amin' ny taona 330 tal. J.K. ny vahoaka samaritana dia nanorina tempoly teo an-tampon' ny tendrombohitra Gezirima izay nanjary foibentoeran' ny fivavahana samaritana. Noravan' ilay mpanjaka hasmoneana atao hoe Joany Hirkana I io tempoly io tamin' ny taona 108 tal. J.K. Nanenjika ny Jiosy sy ny Samaritana sady nandrodana ny tempoly samaritana (fanidroany izany), izay tsy voaorina intsony, ny emperora Zeno, izay nanjaka hatramin' ny taona 474 ka hatramin' ny 491. Na dia noravana aza ny tempolin' ny Samaritana dia nijanona ho foiben' ny fivavahana samaritana ny tendrombohitra Garizima hatramin' izao.

Ny Baiboly samaritana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Baiboly Samaritana na Torah samaritana na Pentateoka samaritana dia tsy ahitana boky hafa ao amin' ny Baiboly jiosy (Tanakh) afa-tsy ny Lalàna (Torah). Voasoratra amin' ny fiteny hebreo samaritana sy amin' ny abidy samaritana izany Baiboly izany.

Misy fahasamihafana ny votoatin' ny Torah hebreo amin' ny Torah samaritana. Ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny fiheverany fa tsy i Jerosalema fa ny tendrombohitra Garizima no toerana masina. Ahitana ny fanajana an' i Garizima ho ivon-toeran' ny fanompoam-pivavahana ny didy faha-10 ao amin' ny Didy folon' ny Torah samaritana.

Ny fetin' ny Paska no fety samaritana lehibe indrindra. Tsy mitovy amin' ny Jiosy izay tsy manatanteraka intsony ny soron' ny zanakondrin' ny Paska ny Samaritana fa mbola manao izany iray andro mialoha ny Paska eo amin' ny tendrombohitra Garizima. Ao koa ny fivahiniana masina izay tanterahina intelo isan-taona eo amin' io tendrombohitra io.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Fampianarana ao amin'ny Talmoda 'Hullin, 3b.
  2. Talmodan'i Jerosalema, Orlah, ii. 7.
  3. Talmodan'i Jerosalema, Abhodah Zorah v. 4
  4. "Massecheth Kuthim", Kirchheim, Septem Libri parvi Talmudici, pp. 31-36.
  5. Israël Finkelstein, Neil Asher Silberman, La Bible dévoilée, Les nouvelles révélations de l'archéologie, 2002, p. 256.