Salvia rosmarinus

Ny Salvia rosmarinus dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Lamiaceae, izay kirihitra misy ravina manitra sy maitso lalandava, toy ny fanjaitra, sy voniny fotsy, mavokely, volomparasy na manga. Izy io dia teratany any amin' ny faritr' i Mediteranea, sy any Pôrtogaly sy Espaina. Salvia rosmarinus Spenn. no anarany ara-tsiansa feno. Fantatra tamin' ny anarana hoe Rosmarinus officinalis L. izy teo aloha. Amin' ny teny malagasy izy dia azo atao hoe rôsmarina. Amin' ny teny frantsay kosa izy dia atao hoe romarin.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Zavamaniry manitra ao amin' ny fianakaviana Lamiaceae ny Salvia rosmarinus. Mety mahatratra hatramin' ny 1,50 m, na hatramin' ny 2 m mihitsy aza rehefa volena, ny haavony, .
Ravina
[hanova | hanova ny fango]
Azo fantarina amin' ny vanim-potoana rehetra ny Salvia rosmarinus noho ny raviny maitso mandrakariva, izay henjana toy ny hoditra sady tsy misy tahony. Lavalavay ireo ravina ireo ary somary mihorona ny sisiny, sady manana loko maitso matroka manjelatra eo amin' ny lafiny ambony ary manopy fotsy ny lafiny ambany. Tena mitovitovy amin' ny fofon' ny ravintsara Cinnamomum camphora ny fofony saingy mampahatsiahy ny hanitry ny emboka manitra avy amin' ny Boswellia sacra ihany koa.
Vony
[hanova | hanova ny fango]Manomboka mamony ny Salvia rosmarinus rehefa tonga ny volana Febroary, indraindray aza dia efa amin' ny volana Janoary, ary mitohy hatramin' ny volana Avrily na Mey izany. Misy ovan-karazany sasany mety hamony fanindroany rehefa manomboka ny fararano. Ny vondrom-bony, izay mipoitra amin' ny endrika toa salohy, dia manana loko miovaova eo anelanelan' ny manga hatsatra sy ny volomparasy. Misy ihany koa ny ovan-karazany iray manana voniny fotsy, antsoina hoe Rosmarinus officinalis 'Albiflorus', saingy mahalana kokoa no ahitana azy. Misy volovolo ny vondron-dravimbony izay manana tendrony maranitra misy sisiny fotsy. Manana lahimbony roa izy ireo, izay samy manana ampahany kely miendrika nify eo akaikin' ny fotony. Mizara roa lalina ny ampahany ambany amin' ny vondrom-pelambony, ka mampahatsiahy ny endriky ny vonin' ny karazana ôrkide sasany izay toa molotra.
Voa
[hanova | hanova ny fango]Tahaka ny ankamaroan' ny zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Lamiaceae, ny voan' ny Salvia rosmarinus dia karazana tetrakena (voa efatra mitambatra) izay miloko volontsôkôlà.
Faritra sy toerana aniriany
[hanova | hanova ny fango]Tearatany any amin' ny faritra manodidina ny Ranomasina Mediteranea ny Salvia rosmarinus. Hita matetika any amin' ny faritra maina sy be masoandro izy io, toy ny any amin' ny faritra misy kirihitra iva sy vato (fantatra amin' ny teny frantsay hoe garrigue sy maquis). Tsy mahazaka haintany tafahoatra izy nefa miroborobo tsara vokatry ny hamandoana avy amin' ny ranomasina, izay mety ho niavian' ny anarany (Rosmarinus, midika hoe "andon' ny ranomasina" amin' ny teny latina). Maniry amin' ny haambo manomboka amin' ny haambon' ny ranomasina (0 m) ka hatramin' ny 650 m izy, ary indraindray dia mahatratra hatramin' ny 1 500 m mihitsy aza.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]
Ampiasaina amin' ny fandrahoan-tsakafo sy amin' ny fitsaboana nentim-paharazana ary amin' ny indostrian' ny ranomanitra izy io.
Fampiasana amin' ny sakafo
[hanova | hanova ny fango]Azo ampiasaina ho zava-manitra sy hanomezana tsiron-tsakafo ny ravin' ny Salvia rosmarinus, na mbola vaovao na efa maina, rehefa mahandro hena, trondro, legioma, saosy ary fanaovana marinada. Anaovana fikarohana sy ampiasaina amin' ny karazan-tsakafo sasany ny akora avy amin' ny Salvia rosmarinus mba hitahirizana azy ireo, amin' ny alalan' ny fisorohana ny fahasimban' ny zaka matavy vokatry ny ôksidasiôna, izay azo noho ny akora fenôlika miasa ho antiôksida. Azo ampiasaina hanamboarana zava-pisotro manitra ihany koa ny raviny.
Fitsaboana nentim-paharazana
[hanova | hanova ny fango]
Eken' ny European Medicines Agency (EMA) ny fampiasana nentim-paharazana maro samihafa amin' ny vokatra vita amin' ny ravin' ny Salvia rosmarinus. Mifototra amin' ny fampiasana azy hatry ny ela izany fanekena izany, fa tsy amin' ny porofo ara-pitsaboana tsy azo lavina momba ny fahombiazany.
Ny fangaro avy amin' ny ravina dia ampiasaina arakany fomba nentim-paharazana hanamaivanana ny olana eo amin' ny fandevonan-kanina, toy ny tsy fahazakana sakafo sasany sy ny fanintona maivana mahazo ny tsinay na ny vavony . Tsy midika anefa izany fa manasitrana ny aretin' ny vavony na ny tsinay izany. Misy karazana fangaro avy amin' ny Salvia rosmarinus, indrindra fa ireo natokana amin' ny fandroana, izay ampiasaina hatry ny ela mba hanamaivanana ny fanaintainana kely eo amin' ny hozatra sy ny tonon-taolana. Ampiasaina amin' ny fangaro natao ho an' ny fanorana sy fanosotra amin' ny hoditra ny menakamanitra mba hanamaivanana ny fanaintainana kely eo amin' ny hozatra sy ny tonon-taolana.
Nomarihin' ny European Medicines Agency ihany koa ny fampiasana nentim-paharazana ny Salvia rosmarinus ho an' ny aretina madinidinika mahazo ny fikorianan' ny ra, nefa tsy nanaporofo ny fahombiazany ara-pitsaboana amin' ny aretin' ny lalan-dra izany.
Kôsmetika sy indostrian' ny ranomanitra sy ny zava-manitra
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina noho ny hanitra mampiavaka azy ny menaka manitra ao amin' ny vokatra misy hanitra sy ny fangaro manitra avy amin' ny Salvia rosmarinus, eo amin' ny indostrian' ny ranomanitra sy famokarana akora manome tsiro na hanitra ny sakafo. Amidy eny an-tsena ny vokatra sy ny fangaro avy amin' ny Salvia rosmarinus natao ho an' ny hodi-doha sy ny fitomboan' ny volo. Nisy gazetiboky ara-tsiansa navoaka tamin' ny taona 2026 mandinika ny vokatra azo, saingy ilaina ny fikarohana fanampiny mba hanamafisana ny fahombiazany sy ny fiarovana ny fampiasana azy tsy hampidi-doza mandritra ny fotoana maharitra.
Toetra nodinihina tamin' ny fikarohana siantifika
[hanova | hanova ny fango]Mandinika ny asa biôlôjika maro samihafa ananan' ny Salvia rosmarinus ny mpikaroka, indrindra fa:
- ny fiasa manohitra ny ôksidasiôna, izay mifandray amin' ny asida rôsmarinika sy amin' ny karnôsôla ary amin' ny asida karnôsika, ankoatra ny hafa;
- ny fiasa miady amin' ny mikrôba sy mampihena ny fivontosana, hita tamin' ny fanadihadiana andrana isan-karazany;
- ny fiantraikany eo amin' ny fitadidiana sy ny fahaiza-misaina, izay nodinihina tamin' ny alalan' ny fanadihadiana mialoha ny fitsapana amin' ny olona sy amin' ny fanadihadiana ara-pitsaboana, saingy mbola tsy ampy hanaporofoana fa tena mahomby tokoa amin' ny fitsaboana izany.
Tsy ahafahana milaza ny fahombiazan' ny fampiasana ny Salvia rosmarinus amin' ny diabeta, ny aretim-po sy ny aretin' ny lalan-dra, ny aretina vokatry ny mikrôba, na ny aretina mampihasimba ny rafi-pitatitra ireo vokatra ireo.
Fitandremana amin' ny fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Mametraka fetra ny European Medicines Agency momba ny fanafody avy amin' ny Salvia rosmarinus izay nodinihina. Tsy amporisihina ny fampiasana ny karazana fanafody avy amin' ny ravin' ny (izay sotroina) ho an'ny ankizy latsaky ny 12 taona, na mandritra ny fitondrana vohoka na mandritra ny fampinonoana, na koa raha misy fanakanana ny lalan-ranon' afero, ny vato ao amin' ny afero, na aretina sasany mahazo ny aty. Araka ny torolalana voamarina, dia tsy tokony hampiasain' ny olona latsaky ny 18 taona, na mandritra ny fitondrana vohoka na ny fampinonoana, na koa raha misy aretim-po na aretin' ny voa, ny menakamanitra avy amin' ny Salvia rosmarinus. Tsy tokony hohanina ilay menakamanitra raha tsy misy fanaraha-mason' ny mpitsabo, ary tsy tokony hahosotra mivantana amin' ny hoditra mamaivay na simba raha tsy efa nafangaro tamin' ny akora hafa.